Dia nitondra mofo sy divay i Melkitsedèka mpanjakan’i Salema sady mpisoron’ilay Andriamanitra avo indrindra,
Mpitsara 8:5 - DIEM PROTESTANTA Nony tonga tao an-tanàna Sokôta izy, dia hoy i Gidehôna tamin’ny mponina tao: –Mba omeo mofo ireto olona miaraka amiko ireto fa reraka; eo am-panenjehana an’i Zebaha sy i Tsalmonà mpanjaka midianita aho izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy tamin’ny mponina tao Sokota: Miangavy anareo aho, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy fa reraka. Izaho izao dia manenjika an’i Zebaha sy i Zalmona, mpanjakan’ny Midianita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tonga tao an-tanàna Sokôta izy, dia hoy i Gidehôna tamin’ny mponina tao: –Mba omeo mofo ireto olona miaraka amiko ireto fa reraka; eo am-panenjehana an’i Zebaha sy i Tsalmonà mpanjaka midianita aho izao. Baiboly Katolika Ary hoy izy tamin’ny mponina ao Sokôta. «Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho nanenjika an’i Zebea sy i Salmanà, mpanjakan’i Madiàna». Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamin’ny mponina tao Sokota: Masìna hianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an’i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ny Midiana. Malagasy Bible Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana. La Bible en Malgache Dia hoy izy tamin’ny mponina tao Sokota: Miangavy anareo aho, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy fa reraka. Izaho izao dia manenjika an’i Zebaha sy i Zalmona, mpanjakan’ny Midianita. |
Dia nitondra mofo sy divay i Melkitsedèka mpanjakan’i Salema sady mpisoron’ilay Andriamanitra avo indrindra,
Fa i Jakôba kosa nivily ho any Sokôta, dia nanao trano ho azy sy tranotomboka ho an’ny andiam-biby fiompiny. Izany no niantsoana io toerana io hoe Sokôta, izany hoe Tranotomboka.
Faneva manainga handositra no natsanganao mba ho lavitra ny tsipîka ireo mpanaja Anao. Fiatoana
Ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra na oviana na oviana ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.
Ozòny ny tanàna Merôza, hoy ilay anjelin’ny TOMPO. Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin’ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.
I Zebaha sy i Tsalmonà tamin’io dia tao Karkôra niaraka tamin’ny andian-tafiny 15 eo ho eo. Izay no sisa tamin’ny tafik’ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana, satria nahafatesana andian-tafika 120 nisy vatan-dehilahy kinga famely sabatra avokoa.
Nitsoaka nandositra i Zebaha sy i Tsalmonà, mpanjaka midianita roa lahy, nefa nenjehin’i Gidehôna ka azony sambo-belona; dia izany no nampihorohoroany ny tafika midianita manontolo.
Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»
Nilomay i Abigaîla naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voamboatra, lango voatono 17 kilao, sampahom-boaloboka maina zato ary mofomamin’aviavy roanjato. Nakariny teo an-damosin’ireo borikiny izany,