Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 8:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Fa novalian’ireo lehibe tao an-tanàna izy ka nataony hoe: –Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nefa hoy ireo manamboninahitr’i Sokota: Moa efa eo am-pelatananao va i Zebaha sy i Zalmona ankehitriny no homenay mofo ny miaramilanao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Fa novalian’ireo lehibe tao an-tanàna izy ka nataony hoe: –Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Fa hoy ny navalin’ny lehilahy Sokôta: «Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salman?a, no hanome mofo izay miaramilanao izahay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa hoy ireo andrianan’i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tànanao ankehitrny va ny tànan’i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Nefa hoy ireo manamboninahitr’i Sokota: Moa efa eo am-pelatananao va i Zebaha sy i Zalmona ankehitriny no homenay mofo ny miaramilanao?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 8:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Jismahela araka ny laharan’ny nahaterahany: i Nebaiôta sy i Kedara, i Adbeèla sy i Mibsàna,


Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.


Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.


Ary hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely: –Ampahatsiahivo an’i Bena-Hadada izay voalazan’ny ohabolana hoe: «Aoka izay vao miainga hiantafika tsy hirehareha toy ny efa avy nandresy.»


Fa i Jôasy mpanjakan’i Israely dia nandefa iraka tany amin’i Amatsià mpanjakan’i Joda hamaly azy hoe: «Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin’ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: ‹Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy›; kanjo nisy bibidian’i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.


Mitalaholaho ny mahantra, rehefa miteny; fa mihenjana kosa ny mpanankarena, rehefa mamaly.


Eny, ny hafa rehetra dia samy miraharaha izay azy ihany, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy.


Ozòny ny tanàna Merôza, hoy ilay anjelin’ny TOMPO. Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin’ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.


Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»


Nony tonga tao an-tanàna Sokôta izy, dia hoy i Gidehôna tamin’ny mponina tao: –Mba omeo mofo ireto olona miaraka amiko ireto fa reraka; eo am-panenjehana an’i Zebaha sy i Tsalmonà mpanjaka midianita aho izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra