Izany no handaozan’ny lehilahy ny rainy sy ny reniny ka hifikirany amin’ny vadiny, ary hanjary tena iray ihany izy roa.
Mpitsara 8:30 - DIEM PROTESTANTA Nanan-janakalahy fitopolo izy satria maro vady. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanan-janaka fitopolo lahy izay naterany i Gideona, satria maro ny vadiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanan-janakalahy fitopolo izy satria maro vady. Baiboly Katolika Fitopolo lahy no zanaka naterak’i Jedeôna fa maro vady izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Gideona nana-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy. Malagasy Bible Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy. La Bible en Malgache Nanan-janaka fitopolo lahy izay naterany i Gideona, satria maro ny vadiny. |
Izany no handaozan’ny lehilahy ny rainy sy ny reniny ka hifikirany amin’ny vadiny, ary hanjary tena iray ihany izy roa.
Ny isan’ny ankohonan’i Jakôba rehetra, izany hoe ireo taranany mivantana izay tonga tany Ejipta, dia 66 ankoatra ireo vinantovaviny.
Niditra tao anaty sambofiara izy mbamin’ny vady aman-janany ary ireo vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safo-drano.
fa nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato izy. Ireo vadiny ireo no nampivily ny fon’i Salômôna.
Nanan-taranaka fitopolo lahy izay nipetraka tany Samaria i Ahaba. Fa nanoratra taratasy i Jehò mba halefa any Samaria ho an’ireo lehibe mpifehy ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe ny taranak’i Ahaba. Ka hoy i Jehò tamin’ny taratasiny:
Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.
Aoka ny mpanjakanareo tsy hampirafy, fandrao hivily ny fony, ary aoka izy tsy hangorona volafotsy na volamena be ho azy.
Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin’ny faritanin’i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havôta-Jaîro ireny toerana ireny.
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafikely telopolo lahy i Habdôna; ka samy nitaingina boriky iray avy ireo. Nitondra ny Israelita nandritra ny valo taona i Habdôna;
Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan’ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsàna;
I Abimelèka, zanakalahin’i Jerobahala na Gidehôna, dia nankany Sekema mba hifandinika tamin’ny anadahin-dreniny sy izay rehetra isan’ny fianakavian-dreniny ka nanao taminy hoe:
nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.
–Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala, na ny hofehezin’ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan’ny fianakavianareo.
Ary tonga tao an-tranon-drainy tao Hôfrà i Abimelèka ka namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala teo ambony vatolampy iray ihany. I Jôtama, ilay kely indrindra tamin’ireo ihany, no sisa afaka satria niery izy.