Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:18 - DIEM PROTESTANTA

18 nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan’i dada kosa ianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary i Abimeleka zanak’andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan’ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 nefa hianareo kosa niodina tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:18
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny fitiavako valiany fandrafiana, fa izaho kosa mivavaka ho azy;


Tsy nanehoany fitiavana koa ny ankohonan’i Jerobahala na Gidehôna, araka ny soa rehetra vitan’i Gidehôna tamin’i Israely.


Farany, dia ny kirihitra tsilo no nitenenan’ny hazo rehetra hoe: ‹Andao ianao hanjaka aminay.›


Fa niady ho anareo ny raiko ka nanao vy very ny ainy mba hanafaka anareo tamin’ny Midianita;


Koa raha tàhiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin’i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimelèka ary hifaliany anie ianareo!


–Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala, na ny hofehezin’ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan’ny fianakavianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra