Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.
Mpitsara 6:23 - DIEM PROTESTANTA Hoy kosa ny TOMPO taminy; –Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy NY TOMPO taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa ny TOMPO taminy; –Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao. Baiboly Katolika Hoy i Iaveh taminy: «Tomoera amim-piadanana, aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty hianao tsy akory. Malagasy Bible Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. La Bible en Malgache Fa hoy NY TOMPO taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. |
Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.
Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa nahita an’Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman’aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan’Andriamanitra.
Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,
sady nanao tamiko hoe: ‹Aza matahotra! Fara-pitia anao Andriamanitra, ka fiadanana ho anao! Mahereza ary mahatanjaha!› Koa arakaraky ny nitenenany tamiko no nampahatanjaka ahy, ka hoy aho taminy: ‹Aoka àry hiteny ianao, tompoko, satria efa nampahery ahy.›
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo.
Ny harivan’io alahady io ihany, dia vory tao amin’ny trano iray ny mpianatra; ary noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy, dia voahidy avokoa ny varavarana. Kanefa tonga i Jesoa nijoro teo afovoan’ny mpianatra ary nanao taminy hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana!
Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr’i Jesoa; ary tafaraka tamin’ireo koa i Tômà. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan’ny mpianatra ary nanao hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana!
Mamangy anareo atỳ Rôma aho, dia ianareo rehetra malalan’Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
Dia hoy ilay lahiantitra taminy: –Ho aminao anie ny fiadanana! Izaho no hikarakara ny zavatra rehetra mety ilainao, fa tsy mahazo mandry eto an-kianja eto ianao.
Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe: –Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho.
Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.