Genesisy 43:23 - DIEM PROTESTANTA23 Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201123 Ary hoy Ralehilahy: Fiadanana ho anareo! Aza matahotra! Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ny lasakanareo. Ny volanareo dia efa tonga atỳ amiko. Dia namoaka an’i Simeona ho eo aminy izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna, Jereo ny tokoBaiboly Katolika23 Ka hoy izy taminy: «Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra tao anaty lasàkanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy.» Dia nentiny nankeo amin’izy ireo i Simeôna. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy23 Ary hoy izy: Matokia hianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an’i Simeona ho eo aminy izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible23 Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy. Jereo ny toko |
Dia nivoaka hitsena azy i Davida ka nanao taminy hoe: –Raha fihavanana no ahatongavanareo atỳ amiko mba hanampy ahy, dia amin’ny foko tokoa no hikambanako aminareo; fa raha hamadika ahy kosa mba hanolotra ahy amin’ny fahavaloko, na tsy nanao an-keriny aza ny tanako, dia aoka ilay Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly anareo!
Tamin’izay, dia nentanin’ny Fanahin’Andriamanitra i Hamasay, filohan’ny «andian’ny telopolo lahy», ka niantso hoe: –Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanakalahin’i Jisay! Fiadanana, fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an’ireo mpanampy anao, satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao! Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho isan’ny filohan’ny andian-tafika.