Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 43:22 - DIEM PROTESTANTA

22 ary nitondra vola hafa koa izahay mba hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty kitaponay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina. Nefa tsy fantatray izay nampiditra ny volanay tao anatin’ny lasakanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 ary nitondra vola hafa koa izahay mba hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty kitaponay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ary nitondra vola hafa koa izahay hamidy hanina. Tsy fantatray izay nametraka ny volanay tao anaty lasàkanay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tànanay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin’ny lasakanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasakanay.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:22
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.


Mitondrà vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.


Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,


Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra