Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa.
Mpitsara 6:1 - DIEM PROTESTANTA Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka natolotry NY TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona. Baiboly Katolika Ary nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely, ka natolotr’i Iaveh ho eo an-tanan’i Madiàna, fito taona. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, ka dia natolotr’i Jehovah ho eo an-tànan’ny Midiana fito taona izy; Malagasy Bible Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy; La Bible en Malgache Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka natolotry NY TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona. |
Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa.
Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.
Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.
Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan’ny Filistinina sy ny Hamônita.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanompo ireo Bahala andriamani-tsiizy.
Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan’izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain’ny razanay fa nataon’ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.