i Reobena no lahimatoan’i Jakôba tamin’i Leà, avy eo dia i Simehôna, i Levỳ, i Joda, i Jisakara ary i Zebolòna.
Mpitsara 5:15 - DIEM PROTESTANTA Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà; ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka. Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo manamboninahitr’Isakara dia niaraka tamin’i Debora. I Baraka dia sahala amin’Isakara, nanezaka an-tongotra nanaraka azy tany an-dohasaha. Tsy nisy farany ny adihevitra teo amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà; ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka. Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany. Baiboly Katolika Miakara amin’i Debôrà, ny andrian’i Isakara, eo anilan’i Baràka i Isakara, teo an-tany lemaka dia voairaka hanaraka azy izy. Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena, nisy fikasana lehibe tao am-po: Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny andrianan’Isakara niaraka tamin’i Debora, Dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ny sakeli-dranon’i Robena! Malagasy Bible Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena! La Bible en Malgache Ireo manamboninahitr’Isakara dia niaraka tamin’i Debora. I Baraka dia sahala amin’Isakara, nanezaka an-tongotra nanaraka azy tany an-dohasaha. Tsy nisy farany ny adihevitra teo amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! |
i Reobena no lahimatoan’i Jakôba tamin’i Leà, avy eo dia i Simehôna, i Levỳ, i Joda, i Jisakara ary i Zebolòna.
Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 18 000 lahy izay notsongaina anarana mba handeha hampanjaka an’i Davida.
Hoy ny kamo hoe: «Misy liona ao ivelany ao; ka mety ho fatiny aho, raha eny an-dalambe.»
Dia nifanditra mafy izy roa lahy ka nisara-dia. I Barnabà moa nitondra an’i Marka, ary niondrana an-tsambo ho any Sipra.
Nialoha izahay fa hiondrana amin’ny sambo hitondra anay mankany Aso, fa any no handraisanay an’i Paoly. Fandaminana nataony izany, satria nikasa handeha an-tanety izy.
Saro-piaro momba anareo aho, ary fahasaro-piaro avy amin’Andriamanitra izany; satria ianareo dia toy ny virijiny madio atolotra ho fofombadin’ny lehilahy anankiray, dia i Kristy.
Nangonin’i Baràka tao ny vatan-dehilahy zebolonîta sy naftalita. Andiany folo no nanaraka azy teny an-tendrombohitra Tabôra, ary niakatra niaraka taminy koa i Debôrà.
Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka: –Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao! Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo.
Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.
Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan’ny vala hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry? Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany.