Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 4:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka: –Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao! Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary hoy i Debora tamin’i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’NY TOMPO an’i Sisera ho eo an-tananao. Tsy mandeha eo anoloanao va NY TOMPO? Dia nidina avy tany amin’ny tendrombohitra Tabara i Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka: –Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao! Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hoy Debora tamin’i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’i Jehovah an’i Sisera eo an-tànanao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary hoy i Debora tamin’i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’NY TOMPO an’i Sisera ho eo an-tananao. Tsy mandeha eo anoloanao va NY TOMPO? Dia nidina avy tany amin’ny tendrombohitra Tabara i Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 4:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.


Ary rehefa nivoaka ny tanàna izy, ka tsy mbola lasa lavitra akory, dia hoy i Jôsefa tamin’ilay mpikarakara ny ao an-tranony: –Ndeha, enjeho ireny lehilahy ireny, ary tratraro ka anontanio hoe: «Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa?


Rehefa nahare hoatra fingadongadon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia mihetseha faingana; satria amin’izay ny TOMPO no hiainga eo alohanao mba handresy ny tafiky ny Filistinina.


Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanàna, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo.


Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.


Ho tsapanareo anio fa ny TOMPO Andriamanitrareo no efa hiampita eo alohanareo tahaka ny afo mandevona, ka Izy mihitsy no handringana ireny firenena ireny sy hampietry azy eo anoloanareo; dia handroaka azy ianareo ka hamongotra azy faingana, araka izay nampanantenain’ny TOMPO taminareo.


fa hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Aza atahoranao ny mpanjaka amôrita satria hatolotro ho eo an-tananao ireo ka tsy hisy afaka hanohitra anao!


Mandehana omany ny vahoaka mba hihaona amiko rahampitso ka ilazao izy mba samy hanadio ny tenany; fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no milaza amin’ny Israelita hoe: «Mbola manana zavatra nasaiko nolevonina ianareo; noho izany, tsy afaka hanohitra ny fahavalonareo ianareo raha tsy foana teo aminareo ireny zavatra ireny.


Dia hoy izy taminy: –Mitsangàna, ramatoa, fa handeha isika. Nefa tsy nisy valinteny. Koa nasampin’ilay levita teo ambony borikiny ny fatin’ny vadiny, dia lasa izy nody tany aminy.


Nangonin’i Baràka tao ny vatan-dehilahy zebolonîta sy naftalita. Andiany folo no nanaraka azy teny an-tendrombohitra Tabôra, ary niakatra niaraka taminy koa i Debôrà.


Tamin’io alina io dia hoy ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Mitsangàna ka midîna ao an-tobin’ny Midianita, fa efa natolotro eo an-tananao io.


Nony ampitso dia nifoha maraina be i Saoly sy ny mpanompony. Rehefa nazava ratsy ny andro, dia niantso an’i Saoly avy teo an-tampon-trano i Samoela hoe: –Miomàna ianao fa hateriko antsasa-dalana. Dia nanaiky i Saoly, ary niara-nivoaka ny trano izy sy i Samoela.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra