Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 5:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan’ny vala hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry? Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan’ny vala hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry? Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Nahoana no nijanona teo afovoan’ny tanimbolinao ianao, nihaino ny feon-tsodin’ny mpiandry ondrinao? Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena nisy fikasana lehibe tao am-po.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Nahoana hianao no nitoetra teo anelanelan’ny vala, Hihainoanao ny feon-tsodina any amin’ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ny sakeli-dranon’i Robena!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 5:16
11 Rohy Ifampitohizana  

I Jisakara dia toy ny boriky matanjaka, mandry eo anivon’ny valany izay misy fefy roa sosona.


Fantaro kosa fa igagana ny fitiavan’ny TOMPO ahy; henoiny aho rehefa miantso vonjy aminy.


«Samy vaky nandositra avokoa na mpanjaka na tafika fahavalo. Ireo vehivavy tavela tao an-trano dia mizarazara ny zavatra voababo.


Vetsoiko ny andro fahiny, tsaroako ny taona taloha elabe.


Manaova tanàna ho an’ny fianakavianareo ary vala ho an’ny ondry aman’osinareo; nefa tanteraho izay fampanantenana naloaky ny vavanareo.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Reobena: –Ahoana hoe? Ny mpiray firenena aminareo handeha hanafika, ka ianareo kosa ve hijanom-potsiny eto?


Eny, ny hafa rehetra dia samy miraharaha izay azy ihany, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà; ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka. Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra