Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.
Mpitsara 4:13 - DIEM PROTESTANTA Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nantsoin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy fitondra miady sivinjato sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Haroseta-Goima, hankany amin’ny ony Kisona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna. Baiboly Katolika ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nangonin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan’ny Jentilisa, hankany amin’ny ony Kisona. Malagasy Bible Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona. La Bible en Malgache Dia nantsoin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy fitondra miady sivinjato sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Haroseta-Goima, hankany amin’ny ony Kisona. |
Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.
Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela.
Ny TOMPO mihitsy no efa nomba ny olon’i Joda tamin’izany, ka azony ny faritra be tendrombohitra. Nefa tsy voaroakany ireo mponin’ny tany lemaka, satria nanana kalesy vy ireny.
Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama.
Fa hoentaniko i Siserà lehiben’ny tafik’i Jabîna ho tonga eo amoron’ny renirano Kisôna mba hanafika anao miaraka amin’ny kalesiny sy ny andian-tafiny; dia hatolotro eo an-tananao izy.
Tonga hiady ireo mpanjakan’i Kanahàna ka dia nanafika tao Tahenàka, teo akaikin’ny loharanon’i Megidao, nefa tsy nahazo na babo na volafotsy!