–Ndeha ambarao amin’i Davida hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eo anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao.»
Mpitsara 3:20 - DIEM PROTESTANTA Ny mpanjaka tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: –Misy teny avy amin’Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin’ny sezany ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpanjaka tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: –Misy teny avy amin’Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin’ny sezany ny mpanjaka. Baiboly Katolika Nipetraka irery tao an-tranony fakana hatsiatsiaka izy no nohatonin’i Aoda ka nataony hoe: «Manana teny avy amin’Andriamanitra ho anao aho.» Tafatsangana niala tamin’ny fiketrahany i Eglôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianana Eglona. Malagasy Bible Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona. La Bible en Malgache Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona. |
–Ndeha ambarao amin’i Davida hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eo anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao.»
Dia nanokatra ny boky teo imason’ny vahoaka rehetra i Hezrà, satria ambony toerana noho ny daholobe; ka rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny vahoaka rehetra.
Salamo nataon’i Davida. Ianareo anjely, tolory haja ny TOMPO, eny, tolory haja IZY fa be voninahitra sy hery;
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin’ireo firenena sy ao amin’ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.
Satria volana fahasivy tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny trano fandaniany ny ririnina ny mpanjaka, ary nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
Hazerako ny trano ririnina sy trano fahavaratra, ary ho simba ny trano miravaka ivoara sady ho fongana ny trano miezinezina. Teny hentitry avy amiko TOMPO izany.»
Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: «Mihainoa, ianareo ry fokon’i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!
Dia nanao izao tononkalo manaraka izao indray i Balahama: «Mitsangàna, ry Balàka zanakalahin’i Tsipôra, atongilano amiko ny sofinao, ka mihainoa.
Kanjo nony efa tonga teo akaikin’ny tsangambaton-tsampy tao Gilgala i Ehoda, dia niverina ka nilaza tamin’i Heglôna hoe: –Misy hafatra miafina holazaiko aminao, ry mpanjaka ô. Dia nandidy ny mpanompony teo ny mpanjaka mba hamela azy mitokana; koa nivoaka ny trano izy rehetra.
Ary nalain’i Ehoda tamin’ny tanany havia ilay sabatra nanolotra ny feny ankavanana, ka natsatony tamin’ny kibon’i Heglôna.