Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Kanjo nony efa tonga teo akaikin’ny tsangambaton-tsampy tao Gilgala i Ehoda, dia niverina ka nilaza tamin’i Heglôna hoe: –Misy hafatra miafina holazaiko aminao, ry mpanjaka ô. Dia nandidy ny mpanompony teo ny mpanjaka mba hamela azy mitokana; koa nivoaka ny trano izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Kanjo nony efa tonga teo akaikin’ny tsangambaton-tsampy tao Gilgala i Ehoda, dia niverina ka nilaza tamin’i Heglôna hoe: –Misy hafatra miafina holazaiko aminao, ry mpanjaka ô. Dia nandidy ny mpanompony teo ny mpanjaka mba hamela azy mitokana; koa nivoaka ny trano izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 fa izy kosa dia niverina, avy hatreo amin’ilay sampy vato akaikin’i Galgalà ka nanao hoe: «Ry mpanjaka ô, misy zavatra tsy ambara telo holazaiko aminao.» Ka hoy ny mpanjaka: «Mangina!» Dia nivoaka avokoa izay olona rehetra tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fa nony tonga teo amin’ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely hianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:19
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.


Rehefa izany, dia noraisiny ny lapoaly ka narosony azy ny tao anatiny, nefa tsy nety nihinana izy. Ary hoy i Amnôna: –Avoahy avokoa ny olona rehetra. Dia nivoaka ny trano avokoa ny olona rehetra.


Nampahatezitra ny Tompo izy tamin’ireo toeram-panasinany sady nankasiaka mafy Azy tamin’ny sarivongan’andriamani-tsiizy.


Dia nasain’i Josoa natsangana tao Gilgala ireo vato 12 nalaina tao Jôrdàna;


Ary rehefa vitany ny fanolorana ny fanomezana ho an’i Heglôna, dia lasa izy niara-nody tamin’ireo vahoaka nitondra ny fanomezana.


Ny mpanjaka tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: –Misy teny avy amin’Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin’ny sezany ny mpanjaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra