Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 10:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin’ireo firenena sy ao amin’ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena! Fa mendrika Anao izany, fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena sy amin’ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin’ireo firenena sy ao amin’ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Zovy no tsy hatahotra Anao; ry mpanjakan’ny firenena ô, Ianao tsy maintsy atahorana. Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena, sy eo amin’ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena! Fa Hianao no iendrehan’izany, Eny, amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena Sy amin’ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena! Fa mendrika Anao izany, fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena sy amin’ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 10:7
28 Rohy Ifampitohizana  

Izaho TOMPO Andriamanitrareo no aoka hohajainareo, fa Izaho ihany no mahavonjy anareo amin’ny fahavalonareo rehetra.


Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.


Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan’ny amperôra dia nalamina teo anatrehan’izay rehetra nahay lalàna sy fitsarana.


Lehibe ny Tompontsika sady mahery; tsy misy fetra ny fahalalàny.


Aoka ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany hahatsiaro ny TOMPO ka hiverina aminy; aoka ny fianakaviamben’ny firenen-drehetra samy ho tonga hiankohoka eo anatrehany!


fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo Izy.


Ny mpanjaka hafa rehetra hiankohoka eo anatrehany; ary ny firenen-drehetra hanompo azy.


Ry Andriamanitr’i Jakôba ô, nandrahona Ianao ka nitsatoka teo ny soavaly sy ny mpitaingina azy.


Tompo ô, tsy misy tahaka Anao amin’ireo andriamanitra; tsy misy mahavita ny vitanao.


Ianao no namorona ny firenen-drehetra, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy ary hanome voninahitra Anao, Tompo ô,


TOMPO ô, aoka hidera Anao ny anjely any an-danitra noho izany zava-mahagaga nataonao izany; aoka hidera Anao ireo amin’ny fivoriany, indrindra koa noho ny toetranao mahatoky!


Nangonina ho an-tokotokony maro ireny, ka nanamaimbo ny tany.


Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.


Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.


Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO, fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao amin’ny asa mahery nataonao.


Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.


Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: –Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka!


Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an’i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin’ny hoavy. Koa izao àry ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana.


TOMPO ô, efa reko izay nambaranao ka dia raiki-tahotra aho. TOMPO ô, enga anie ny asanao mba ho velombelona hatrany amin’izao andronay izao; eny, amin’izao andronay izao no ataovy fantatry ny olona izany. Fa na dia tezitra aza Ianao, asehoy anay ihany ny indrafonao.


«He! Ry vahoakan’i Tsiôna voasesitany ao Babilôna, mitsoaha tao ianareo.»


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Fa hasehoko anareo izay tokony hatahoranareo: matahora an’Andriamanitra Izay manam-pahefana hamarina anareo any amin’ny lohasahan’afo rehefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, Izy ihany no atahory.


amintsika kosa tokana ihany Andriamanitra, dia ny Ray Izy niavian’ny zavatra rehetra sady iafarantsika; ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesoa Kristy Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika.


Izany no hahafantaran’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa lehibe ny herin’ny TOMPO, ary hanajanareo mandrakizay ny TOMPO Andriamanitrareo!


Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»


Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo? Iza no tsy hanome voninahitra Anao? Satria Ianao irery no masina, ka ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehanao, fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra