Mpitsara 21:12 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny mponina tao Jabesy-Gilehada dia nahitana tovovavy efajato mbola virijiny, ka nentin’ireo iraka ho any amin’ny toby tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nahita zazavavy virijiny efajato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ny mponina tany Jabesy-Gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ny tany Kanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny mponina tao Jabesy-Gilehada dia nahitana tovovavy efajato mbola virijiny, ka nentin’ireo iraka ho any amin’ny toby tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna. Baiboly Katolika Dia nahita zazavavy virjiny efajato tsy mbola nahalala lahy fa tsy nandry tamin-dehilahy izy ireo, teo amin’ny mponina any Jabesy, any Galaada, ka nentiny nankany an-toby tany Silao izay any amin’ny tany Kanaana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ny tany Kanana. Malagasy Bible Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana. La Bible en Malgache Ary nahita zazavavy virijiny efajato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ny mponina tany Jabesy-Gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ny tany Kanana. |
Mankanesa any amin’ny toerako masina any Silao izay namponenako ny voninahitro fahiny, ka jereo izay nanaovako azy noho ny haratsian’ilay Israely vahoakako.
Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.
Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an’Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon’i Joda no voatondron’ny TOMPO.
Vonoy ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nanam-bady. Izany no hataonareo.
Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin’ireo Benjaminita nandositra niery tao amin’ny harambaton’i Rimôna.
Dia nifanadihady teo izy mba hahalalana raha nisy vondron’olona tamin’ny fokon’i Israely tsy tonga niseho teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà. Koa hitany fa ny olona avy any Jabesy-Gilehada ihany no tsy tonga tao an-toby nivoriana.