Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 21:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin’ireo Benjaminita nandositra niery tao amin’ny harambaton’i Rimôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary ny fiangonana rehetra dia nandefa iraka hiteny tany amin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin’ireo Benjaminita nandositra niery tao amin’ny harambaton’i Rimôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary ny fiangonana rehetra nandefa iraka hiteny amin’ny taranak’i Benjamina, tany amin’ny haram-baton’i Remôna sy hanambara ny fihavanana amin’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny haram-bato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary ny fiangonana rehetra dia nandefa iraka hiteny tany amin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 21:13
9 Rohy Ifampitohizana  

dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra, fiadanana ho an’izay akaiky! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»


Izay trano androsoanareo dia voalohany indrindra ilazao hoe: «Ho ato amin’ity trano ity anie ny fiadanana!»


Izany no nahatongavan’i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy.


Rehefa mby akaikin’ny tanàna hiadiana ianareo, dia taomy hanao raharaham-pihavanana ny mponina.


i Lebaôta, i Silehima, i Haîna, ary i Rimôna; izany hoe tanàna 29 samy miampy ny tanàna kely miankina aminy.


Ny Benjaminita sisa dia nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra ho any amin’ny harambaton’i Rimôna. Ny andiany dimy tamin’ireo anefa dia maty noraofim-potsiny teny an-dalana, fa ny sisa kosa nenjehina ka ny nokendrena dia ny hahafongana azy; ary mbola nahafatesana andiany roa koa ireo.


Na izany aza, dia nisy eninjato lahy tamin’ireo nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra no afaka nitsoaka ihany ka tonga tao amin’ny harambaton’i Rimôna ary nitoetra tao efa-bolana.


Tamin’ny mponina tao Jabesy-Gilehada dia nahitana tovovavy efajato mbola virijiny, ka nentin’ireo iraka ho any amin’ny toby tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna.


Koa niverina nody tany aminy teo no ho eo ihany ireo Benjaminita; ary nomena ho vadiny ireo vehivavy sisa velona tao Jabesy-Gilehada, nefa tsy nahenina azy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra