Mpitsara 21:1 - DIEM PROTESTANTA Fony nivory tao Mitsepà ny lehilahy israelita, dia nianiana fa tsy hisy hanome ny zanany vavy hanambady lehilahy Benjaminita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny lehilahin’ny Israely dia efa nianiana tany Mizpa hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjamina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fony nivory tao Mitsepà ny lehilahy israelita, dia nianiana fa tsy hisy hanome ny zanany vavy hanambady lehilahy Benjaminita. Baiboly Katolika Tany Masfà nianiana ny lehilahy amin’i Israely nanao hoe: «Tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita isika». Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lehilahy amin’ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zanani-vavy ho vadin’ny Benjamita. Malagasy Bible Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita. La Bible en Malgache Ary ny lehilahin’ny Israely dia efa nianiana tany Mizpa hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjamina. |
Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.
Ary i Jeremià nankany amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama tao Mitsepà, ka niara-nipetraka taminy teo anivon’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany.
Ary niozona mafy tamin-drazazavavy ny mpanjaka nanao hoe: –Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.
Ny ampitso maraina, dia nioko ny Jiosy sasantsasany ka nanao velirano fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty an’i Paoly.
Vavolombelona ny aminy aho fa feno zotom-po ho an’Andriamanitra izy rehetra saingy zotom-po tsy ombàm-pahalalana.
Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.
Antsapaka no hifidianantsika ny ampahafolon’ny vatan-dehilahy isaky ny fokon’i Israely, izany hoe zato amin’ny arivo, na arivo amin’ny iray alina; ka ireo no hamatsy ny andian-tafika izay handeha hanafay an’i Gibehà tanàna benjaminita, araka ny zava-pady nafitsony teto Israely.
Dia niverina namely ireo Benjaminita hafa ny Israelita ka isan-tanàna no nandringanany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona mbamin’ny biby fiompiny; ary ny tanàna rehetra, izay hitany tamin’izany faritany izany, dia nodorany avokoa.
Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: –Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.
Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita.
Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: «Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin’ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin’ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin’ny fianianana ianareo».
Dia nifanontany ny Israelita hoe: –Tamin’ny fokon’i Israely rehetra, moa nisy foko tsy tonga tamin’ilay fivoriana natao teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà ve? Efa nianiana mafy manko ry zareo tamin’izay fa na iza na iza tsy tonga teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà dia hatao maty.
Inona no hataontsika mba hanomezana vady ho an’ireo lehilahy Benjaminita sisa velona, satria efa nianiana mafy teo anatrehan’ny TOMPO isika fa tsy hanome ny zanakavavintsika ho vadiny?
Reraka mafy ny Israelita tamin’io andro io, satria efa norahonan’i Saoly tamin’ny fampitandremana hoe: «Ho voaozona anie izay manendry hanina alohan’ny hariva mandra-pahatò ny valifatiko amin’ny fahavalo!» Dia tsy nisy sahy nanendry hanina ny olon-drehetra.