Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: –Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Tsy hisy hankany amin’ny tranolaintsika isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: –Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Indray nitsangana, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: «Tsy hisy hiverina any an-daintsika akory isika na hody any an-tranontsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin’ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Tsy hisy hankany amin’ny tranolaintsika isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny fanaovana ny marina sy mahitsy dia sitraky ny TOMPO kokoa noho ny sorona.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Dia nifanaraka ny Israelita rehetra fa hiray hina toy ny olona iray hamely an’i Gibehà.


Indreto ianareo Israelita rehetra, koa samia miteny ary maka fanapahan-kevitra.


Izao no zavatra hataontsika momba an’i Gibehà.


Fony nivory tao Mitsepà ny lehilahy israelita, dia nianiana fa tsy hisy hanome ny zanany vavy hanambady lehilahy Benjaminita.


Dia nifanontany ny Israelita hoe: –Tamin’ny fokon’i Israely rehetra, moa nisy foko tsy tonga tamin’ilay fivoriana natao teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà ve? Efa nianiana mafy manko ry zareo tamin’izay fa na iza na iza tsy tonga teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà dia hatao maty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra