Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Izao no zavatra hataontsika momba an’i Gibehà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’i Gibea: Araka ny antsapaka no aoka hiakarantsika hamely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Izao no zavatra hataontsika momba an’i Gibehà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izao kosa ankehitriny no hataontsika amin’i Gabaà: Araka ny filokany no hamelezana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’i Gibea: Araka ny antsapaka no aoka hiakarantsika hamely azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Samy natao antsapaka ny fitsinjarana azy rehetra, satria samy mpiandraikitra ny Toeramasina sy mpiandraikitra ny raharahan’Andriamanitra, na ny avy tamin’ny taranak’i Elehazara na ny avy tamin’ny taranak’i Itamara.


Niorim-ponenana tao Jerosalema ireo lehiben’ny vahoaka; ary nanaovana antsapaka ny vahoaka sisa mba hahatonga ny ampahafolony honina ao Jerosalema tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia ho any amin’ny tanàna hafa.


Ahontsankontsana ny kodiakely hahalalan-javatra fa izay mipoitra eo kosa dia avy amin’ny TOMPO.


–’Ndeha isika hanao antsapaka hahitana izay tompon’andraikitra mahatonga izao loza izao amintsika. Natao ny antsapaka ka nianjera tamin’i Jônà.


Dia nanaovana antsapaka izy roa lahy, ary voatendrin’ny antsapaka i Matià, ka dia izy no lany ho naman’ny apôstôly 11 lahy.


Antsapaka no nanaovana ny fizaràna ho an’ireo foko sivy sy ilay antsasa-pokon’i Manase, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Antsapaka no hifidianantsika ny ampahafolon’ny vatan-dehilahy isaky ny fokon’i Israely, izany hoe zato amin’ny arivo, na arivo amin’ny iray alina; ka ireo no hamatsy ny andian-tafika izay handeha hanafay an’i Gibehà tanàna benjaminita, araka ny zava-pady nafitsony teto Israely.


Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: –Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra