Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 19:6 - DIEM PROTESTANTA

Dia nipetraka niara-nihinana sy nisotro teo izy roa lahy. Fa hoy ity rafozany tamin’ilay levita: –Mba ekeo re ny handry eto anio alina, ary aoka hifaly ny fonao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro. Dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin-dRalehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina ary aoka ho faly ny fonao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nipetraka niara-nihinana sy nisotro teo izy roa lahy. Fa hoy ity rafozany tamin’ilay levita: –Mba ekeo re ny handry eto anio alina, ary aoka hifaly ny fonao!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nipetraka izy, ka niara-nihinana sy nisotro izy roa lahy. Ary hoy ny rain-drazazavavy: «Mihanta aminao re aho, mba ekeo ny handry anio alina; ary aoka hifaly ny fonao».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro. Dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin-dRalehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina ary aoka ho faly ny fonao!

Jereo ny toko



Mpitsara 19:6
15 Rohy Ifampitohizana  

Izao kosa no baiko nomeny an’ireo mpanompony: –Jereo tsara, fa rehefa falin-divay ny fon’i Amnôna ka milaza aminareo aho hoe: «Asio i Amnôna!», dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra. Moa tsy izaho va no nanome baiko anareo? Koa sahia ary misehoa ho mahery fo!


Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: –Ny tenanao no manjaka amin’i Israely; koa miarena, dia mihinàna, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta ilay Jizrehelita.


Tamin’ny andro fahafiton’izany fanasambe izany, dia falifaly i Kserksesa azon’ny divay nosotroiny. Koa nampiantsoiny ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia ry i Mehomàna sy i Bizetà, i Harbônà sy i Bigtà, i Abagtà sy i Zetara ary i Karkasa;


dia divay hampifaly ny fon’ny olona, sy menaka hahamiramirana ny endriny ary mofo hanome tohan’aina azy.


Rehefa izany, dia izao no holazaiko anakampo amin’ny aiko: Ry aiko ô, manan-tahirim-pananana be tsy ho lany lanîna mandritra ny taona maro ianao; koa mialà sasatra, mihinàna, misotroa sy milibà.»


Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.


Mifaly sy miravo ary mifanatitra fanomezana ny mponina ambonin’ny tany noho ny nahafatesan’ireo, fa nampiferinaina ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.


Tamin’izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon’ilay tanàna ary olona fito arivo no matin’io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.


Efa nivonon-kandeha ilay levita; saingy niangavy azy mafy ilay rafozany, koa nijanona ihany izy ary tafandry teo indray.


Ary nony efa tena handeha ilay levita sy ny vadikeliny ary ny zatovony, dia hoy ny rafozan-dahiny tamin’ilay vinanto: –Indro efa tolaka ny andro ary efa ho hariva mihitsy koa mandria aloha anio alina. Indro efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto ary aoka hifaly ny fonao! Rahampitso dia hifoha maraina be ianareo ka handeha hody any aminao.


Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin’ny tempolin’ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an’i Abimelèka.


Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Bôhaza, dia faly ka lasa nandry teo antsisin’ny antontam-bary; nanatona moramora kosa i Rota, dia nanokatra kely ny lamba teo an-tongotr’i Bôhaza ka nandry teo.


Ary i Abigaîla tonga tany amin’i Nabala izay nanao fety be tao an-tranony toy ireny amin’ny fanasan’ny mpanjaka ireny. Faly aoka izany ny fon’i Nabala, ka dia nanao mamo be izy. Noho izany, dia tsy nisy zavatra azon’i Abigaîla nambara taminy na kely aza mandra-paharainan’ny andro.