Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 3:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Bôhaza, dia faly ka lasa nandry teo antsisin’ny antontam-bary; nanatona moramora kosa i Rota, dia nanokatra kely ny lamba teo an-tongotr’i Bôhaza ka nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Boaza ka faly ny fony dia nandeha handry teo amin’ny sisin’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa i Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Bôhaza, dia faly ka lasa nandry teo antsisin’ny antontam-bary; nanatona moramora kosa i Rota, dia nanokatra kely ny lamba teo an-tongotr’i Bôhaza ka nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nihinana sy nisotro i Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarỳ amin’ny faran’ny antontan’amboaram-bary, nitsaitsaika nanatona i Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ny faran’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Boaza ka faly ny fony dia nandeha handry teo amin’ny sisin’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa i Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 3:7
18 Rohy Ifampitohizana  

Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.


Izao kosa no baiko nomeny an’ireo mpanompony: –Jereo tsara, fa rehefa falin-divay ny fon’i Amnôna ka milaza aminareo aho hoe: «Asio i Amnôna!», dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra. Moa tsy izaho va no nanome baiko anareo? Koa sahia ary misehoa ho mahery fo!


Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: –Ny tenanao no manjaka amin’i Israely; koa miarena, dia mihinàna, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta ilay Jizrehelita.


Tamin’ny andro fahafiton’izany fanasambe izany, dia falifaly i Kserksesa azon’ny divay nosotroiny. Koa nampiantsoiny ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia ry i Mehomàna sy i Bizetà, i Harbônà sy i Bigtà, i Abagtà sy i Zetara ary i Karkasa;


dia divay hampifaly ny fon’ny olona, sy menaka hahamiramirana ny endriny ary mofo hanome tohan’aina azy.


Manao sakafo ireo lehibe mba hikoranany; ny divay kosa maharavoravo ny ainy; ary ny vola no hahazoany manao izany rehetra izany.


Ny hany fahasambaran’ny olona dia ny mihinana sy ny misotro ary ny mifaly amin’ny valin-kasasarany. Tsapako fa avy amin’Andriamanitra izany fahasambarana izany;


Raha ny amiko, dia deraiko ny fifaliana, satria ny hany fahasambaran’ny olona eto ambonin’ny tany dia ny mihinana sy misotro ary miravoravo. Izany no tokony hanaraka ny asany mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany etỳ ambonin’ny tany.


Noho izany, hano amim-pifaliana ny haninao ary sotroy amin’ny fo ravoravo ny divainao, satria efa sitrak’Andriamanitra ireo asanao.


Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra.


Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina.


Fa raha mbola nampifaly fo teo am-pihinana izy, dia nisy lehilahy faikan’olona tao an-tanàna nanodidina ny trano sy nandondòna mafy tao am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: –Avoahy iny lehilahy nampiantranoinao ato aminao iny mba hanaovanay firaisana.


Dia nipetraka niara-nihinana sy nisotro teo izy roa lahy. Fa hoy ity rafozany tamin’ilay levita: –Mba ekeo re ny handry eto anio alina, ary aoka hifaly ny fonao!


Ary nony efa tena handeha ilay levita sy ny vadikeliny ary ny zatovony, dia hoy ny rafozan-dahiny tamin’ilay vinanto: –Indro efa tolaka ny andro ary efa ho hariva mihitsy koa mandria aloha anio alina. Indro efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto ary aoka hifaly ny fonao! Rahampitso dia hifoha maraina be ianareo ka handeha hody any aminao.


Dia nidina nankany am-pamoloana izy ary nanao araka izay rehetra nodidian-drafozany azy.


Ary nony tamin’ny sasak’alina, dia taitra ralehilahy ary niondrika hijery, ka gaga dia gaga nahita vehivavy iray mandry eo an-tongony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra