Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 19:4 - DIEM PROTESTANTA

Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nihazona azy ny rafozany, rain-dRazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy sy ny zatovony, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Notazonin’ity rafozany rain-drazazavavy izy, ka nitoetra tao aminy hateloana ary nihinana sy nisotro izy ireo, ka nijanonjanona tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nihazona azy ny rafozany, rain-dRazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy sy ny zatovony, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao.

Jereo ny toko



Mpitsara 19:4
4 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly kosa ny anadahin-drazazavavy sy ny reniny hoe: –Aoka hipetraka hiaraka aminay kelikely tokony ho folo andro aloha razazavavy, vao mandeha.


Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.


Koa niainga ralehilahy mba hanaraka ny vadikeliny sy hanambitamby azy hiverina hody. Nentiny niaraka taminy ny zatovony iray sy ny boriky roa. Dia nampandrosoin-dravehivavy tao an-tranon-drainy izy; ary ilay rafozan-dahiny koa, raha vao nahita azy, dia nandray azy tamin-kafaliana.


Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina izy roa lahy; fa nony efa tena handeha tokoa ilay levita, dia nilazan’ny rain-drazazavavy hoe: –Mihinàna ody am-bavafo kely aloha ianareo vao mandeha.