Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 24:55 - DIEM PROTESTANTA

55 Fa namaly kosa ny anadahin-drazazavavy sy ny reniny hoe: –Aoka hipetraka hiaraka aminay kelikely tokony ho folo andro aloha razazavavy, vao mandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

55 Fa hoy ny anadahin’i Rebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy Razazavavy na dia hafoloana ihany aza; aorianan’izay dia handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

55 Fa namaly kosa ny anadahin-drazazavavy sy ny reniny hoe: –Aoka hipetraka hiaraka aminay kelikely tokony ho folo andro aloha razazavavy, vao mandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

55 Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: «Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra aty aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:55
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: –Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin’ny tompoko.


Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nitondran’i Kaina fanatitra ho an’ny TOMPO ireo vokatry ny tany.


«Raha misy mivarotra trano itoerana ao anaty tanàna mimanda, dia azony avotana izany mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’io fe-potoana io no hahazoany manavotra azy.


Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timnà izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin’ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin’ny vondron-taolan’ilay fatin-diona.


Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra