Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;
Mpitsara 16:18 - DIEM PROTESTANTA Takatr’i Delilà tamin’izay fa nambaran’i Samsôna azy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony, koa nandefa iraka izy hiantso ireo mpanjaka filistinina sy hilaza aminy hoe: –Tongava amin’izay ianareo amin’ity indray mandeha ity, fa efa nambaran’i Samsôna ahy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony. Dia nankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ary nanome azy ny vola. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Takatr’i Delilà tamin’izay fa nambaran’i Samsôna azy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony, koa nandefa iraka izy hiantso ireo mpanjaka filistinina sy hilaza aminy hoe: –Tongava amin’izay ianareo amin’ity indray mandeha ity, fa efa nambaran’i Samsôna ahy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony. Dia nankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ary nanome azy ny vola. Baiboly Katolika Hitan’i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan’ny Filistinina izy, sy nampilaza tamin’izy ireo hoe: «Miakara amin’izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra.» Dia niakatra ireo filohan’ny Filistinina, samy nanao an-tanany ny volany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan’ny Filistina nanao hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Ary ireo andrianan’ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany. Malagasy Bible Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany. La Bible en Malgache Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany. |
Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;
–Matokia Azy lalandava, ry vahoakany, atosahy eo anoloany ny fiahianareo fa Izy Andriamanitra no fialofantsika. Fiatoana
Dia lasa ireo loholona môabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin’i Balàka.
ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.
Fantaro tsara izao: tsy hanana anjara lova amin’ny Fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga na ny maloto fitondrantena na ny mpitia harena (fa mpanompo sampy ny mpitia harena).
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin’ny finoana, ka nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro.
ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.
Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.
Ary niakatra hankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ka nanao taminy hoe: –Langolangoy i Samsôna mba hampahalala anao izay iavian’ny heriny lehibe sy ny fomba hahazoanay mandresy azy, dia hafatotray izy ka hofolahinay. Ary samy hanome anao vola sekela 1 100 avy izahay.