Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 6:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin’ny finoana, ka nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin’ny finoana, ka nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 6:10
49 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy i Labàna taminy: –Marina tokoa fa havako ianao, ary iray ra amiko. Dia nipetraka iray volana tao aminy i Jakôba.


Dia namaly i Labàna hoe: –Tsy fomban-tany aty aminay ny mampanambady ny zandriny alohan’ny zokiny.


Ireo zanakalahin’i Jakôba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanàna noho ny nandotoana ny anabaviny.


Tsy nahafantatra azy ho vinantovaviny i Joda, ka dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana sy nanao taminy hoe: –Avelao mba handry aminao aho. Fa hoy ny navaliny azy: –Inona anefa no homenao ahy amin’izany?


dia nanisy lasely ny borikiny izy, ka niainga nankany Gata ho any amin’i Akisa haka ny mpanompony. Dia nitodi-doha niverina niaraka tamin’ny mpanompony i Simehỳ.


satria ny aretin-koditr’i Nahamàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany. Rehefa niala teo anatrehan’i Elisà i Gehazỳ, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.


Fijaliana maro ny an’ny ratsy fanahy; fa izay mitoky amin’ny TOMPO kosa dia harovan’ny fitiavany hatrany.


Tsio-drivotra mandalo ihany ny sarambabem-bahoaka; rendrarendra foana koa ireo olona manan-kaja; raha indray atao amin’ny mizana izy roa tonta, dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.


Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pandroba, ka ipaohana ny ain’izay fatra-panao azy.


Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.


Ny olona adalam-bola dia mampikorontana ny ankohonana; fa izay mankahala risoriso no ho velona.


Iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa dia ho eo am-pelatanany avokoa izay rehetra nisasarako sy nataoko tamim-pahendrena tetỳ ambonin’ny tany. Zava-poana koa izany.


Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.


Alika tendan-kanina koa ireo ka tsy mahalala voky na oviana na oviana, nefa dia lazaina hoe mpiandry! Tsy mahay mandinika akory ireo fa samy manaraka ny lalany avy ary samy mikendry ny tombontsoany avy.


Manala baràka Ahy eo anatrehan’ny vahoakako ianareo noho izay vary eran’ny tanana ila na izay sombimofo vitsivitsy. Raha andainganareo ny vahoakako mora fahanan-dainga, dia mahafaty izay tsy tokony ho faty ianareo ary mamelona izay tsy tokony ho velona.›


Ny vehivavy janga dia mila tambiny fa ianao kosa manome tambiny ho an’ireo lehilahinao; eny, nandoa vola taminy ianao mba hiaviany avy eny amin’ny manodidina handry aminao.


Ao aminao misy manaiky hotambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin’ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Ny voa nafafy tany anaty tsilo dia izay mahaheno ny teny, kanefa ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


–Aza mangorona harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kadradraka sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra;


saingy ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena ary ny fitsiriritana hafa rehetra, samy miditra ao aminy, ka mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.


Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ka mampamadika ny raharahan’ny manan-drariny.


Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.


Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena).


tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola;


Nihambo hanana izany fahalalana izany ny sasany, ka nihataka tamin’ny finoana. Homba anareo anie ny fahasoavan’Andriamanitra!


Fa izay te hanan-karena, dia voan’ny fakampanahy sy ny fandriky ny filàna maro tsy misy antony sady manimba, izay mandetika ny olona hihitsoka ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.


satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina,


Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin’ny marina, ka misy mamerina azy,


Tamin’ny zavatra babo dia nahitako kapaoty tsara tarehy iray avy any Babilôna sy volafotsy roa kilao ary anja-bolamena antsasa-kilao. Notsiriritiko fatratra ireo ka nalaiko. Ho hitanareo milevina anaty tany ao an-daiko ireny ka ny volafotsy no any ambany indrindra.


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


havozomamy sy hodi-kazo manitra; ilomanitra sy miora ary vovo-javamanitra; divay sy diloilo; lafarinina tsara toto sy varimbazaha; omby sy ondry; soavaly sy kalesy; ary mpanompo sy babo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra