Mpitsara 16:16 - DIEM PROTESTANTA Ary rehefa nanao lemozy toy izany isan’andro ilay ramatoa ka nahasosotra azy, dia tofoka loatra i Samsôna; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nanjohy azy isanandro tamin’ny teniny Ravehivavy ka nahasosotra azy dia tonga leon’ny miaina izy ka naniry ho faty aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa nanao lemozy toy izany isan’andro ilay ramatoa ka nahasosotra azy, dia tofoka loatra i Samsôna; Baiboly Katolika Dia nitory kisina taminy isan’andro teo izy sy nanorisory azy tamin’ny hata-dava, ka efa sosotra mafy ny fanahiny nila hahafaty azy: Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nitorikisina taminy isan-andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina. Malagasy Bible Ary rehefa nitorikisina taminy isan'andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina. La Bible en Malgache Rehefa nanjohy azy isanandro tamin’ny teniny Ravehivavy ka nahasosotra azy dia tonga leon’ny miaina izy ka naniry ho faty aza. |
Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.
dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro.
Lazaiko aminareo fa na tsy hifoha hanome mofo azy noho ny fihavanana aza ilay ao an-trano, dia hifoha ihany hanome izay rehetra ilainy mba tsy ho voatabataba tsy misy farany.
Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy!»
Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin’i Samsôna ny vadiny ka nanao hoe: –Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin’ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsôna hoe: –Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?
Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin’ireo andro fito fanasana; ka tamin’ny andro fahafito, dia nilazan’i Samsôna ny valin’ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin’ny mpiray firenena aminy.
Ary hoy i Delilà taminy: –Ahoana no ilazanao fa tia ahy ianao, kanefa ianao tsy matoky ahy akory? Indro efa intelo izao ianao no namitaka ahy ka tsy mbola nampahalala ahy ihany izay iavian’ny herinao lehibe.
ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.