Mpitsara 14:17 - DIEM PROTESTANTA17 Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin’ireo andro fito fanasana; ka tamin’ny andro fahafito, dia nilazan’i Samsôna ny valin’ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin’ny mpiray firenena aminy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Dia nitomany nanjohy azy hafitoana izay naharetan’ny fanasana Ravehivavy, koa tamin’ny andro fahafito dia nolazain’i Samsona taminy, satria nitakisina taminy izy; fa izy kosa dia nilaza ny hevitry ny ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin’ireo andro fito fanasana; ka tamin’ny andro fahafito, dia nilazan’i Samsôna ny valin’ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin’ny mpiray firenena aminy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika17 Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Dia nitomany teo anatrehany tamin’ny hafitoana izay nisian’ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin’ny andro fahafito dia nolazain’i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin’ny zanaky ny fireneny. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache17 Dia nitomany nanjohy azy hafitoana izay naharetan’ny fanasana Ravehivavy, koa tamin’ny andro fahafito dia nolazain’i Samsona taminy, satria nitakisina taminy izy; fa izy kosa dia nilaza ny hevitry ny ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneny. Jereo ny toko |
Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin’i Samsôna ny vadiny ka nanao hoe: –Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin’ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsôna hoe: –Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?
Koa tamin’iny andro fahafito iny, talohan’ny hilentehan’ny masoandro, dia tonga ireo lehilahy tao an-tanàna nilaza tamin’i Samsôna hoe: –Inona no mamy noho ny tantely? Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy ny navalin’i Samsôna azy: –Raha tsy nampiasa ny vantotr’ombivaviko ianareo, dia tsy ho nahita ny valin’ny ankamantatro.
Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: –Raha tenominao hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito amin’ny volon-dohako ka aompanao amin’ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.