Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 14:24 - DIEM PROTESTANTA

24 dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Dia hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena izay alatsaka hamonjy ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:24
14 Rohy Ifampitohizana  

Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe: –Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.


«Indro avy ny andro, izay hanaovako fanekempihavanana vaovao amin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.


Satria tsy hotompoina no nahatongavan’ny Zanak’olona, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


Avy eo nandray kalisy i Jesoa, ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nomeny ny mpianany sy nisotroan’izy rehetra;


Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongan’ilay andro hisotroako ny divay vaovao any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Ary noraisin’i Jesoa toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo sady nataony hoe: –Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao aorin’Andriamanitra amin’ny rako izay alatsaka ho anareo.]


Ka hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo.


Ny fisotro isaorantsika an’Andriamanitra, moa tsy mampiombona antsika amin’ny ran’i Kristy ve izany? Ary ny mofo izay ifanapahantsika, moa tsy mampiombona antsika amin’ny tenan’i Kristy ve izany?


Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra