Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 13:14 - DIEM PROTESTANTA

tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona izany; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

tsy hihinana na inona na inona rehefa mety ho zavatra avy amin’ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto izy: hotandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona izany; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Jereo ny toko



Mpitsara 13:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Nefa namaly izy hoe: –Tsy misotro divay izahay, satria i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe: «Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo.


mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady ho Nazirita mba hanokan-tena ho an’ny TOMPO,


Mandritra ny fotoana rehetra maha Nazirita azy dia tsy hihinan-javatra natao amin’ny voaloboka izy, eny, fa na dia ny voany mbamin’ny hodiny aza.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo:


Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!


Ary omen’ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.


Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto,


Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny.