Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:2 - DIEM PROTESTANTA

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady ho Nazirita mba hanokan-tena ho an’ny TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’NY TOMPO

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady ho Nazirita mba hanokan-tena ho an’ny TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’i Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’NY TOMPO

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:2
21 Rohy Ifampitohizana  

Raha toa manko tsy hiaraka aminay Ianao, ahoana no hahafantarana fa nahazo fanambinana teo imasonao ny tenako sy ny vahoakanao? Satria ny fiarahanao aminay ihany no mampiavaka anay amin’ireo vahoaka hafa rehetra eto ambonin’ny tany.


Ny tia tena dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany; fa mampisafoaka azy rehefa mety fanampiana.


Nefa namaly izy hoe: –Tsy misotro divay izahay, satria i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe: «Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo.


«Aoka ho masina sady voatokana ho Ahy ianareo, satria Izaho TOMPO dia masina ary efa nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa mba ho Ahy.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy manao voady hanokana olona ho an’ny TOMPO;


«Raha misy lehilahy mivoady amin’ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin’ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


Eny, ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny.


Mbola tafajanona elaela tao Kôrinto i Paoly. Avy eo dia nanao veloma ny havana iray finoana izy ka niondrana nankany Siria, niarahan-dry i Prisila sy i Akoilà. Talohan’ny hiondrana, dia niharatra volon-doha tao Senkrea i Paoly, satria nisy voady nataony.


Avy amiko Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin’Andriamanitra ho apôstôly, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly avy aminy.


Ahoana no hifandraisan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho ary handeha eo afovoany, dia ho Andriamaniny Aho ary izy ireo ho vahoakako.»


Kanefa natokan’Andriamanitra dieny hatrany am-bohòka aho ary nantsoiny hanompo Azy noho ny fahasoavany.


Tsy mba tahaka ireo mpisorombe hafa Izy, ka tsy mila hanolotra sorona isan’andro ho fanalana ny fahotan’ny tenany aloha, vao ny an’ny vahoaka. Indray mandeha monja no nanoloran’i Jesoa sorona, dia tamin’ny nanolorany ny tenany.


tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.


Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto,


noho ianao efa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary io zanakao io dia tsy azo hetezana volon-doha, satria ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo izy. Izy no hanomboka hanafaka ny Israelita amin’ny fangejàn’ny Filistinina.


ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.


Koa anjarako kosa ny manolotra azy ho an’ny TOMPO; eny, mandritra ny androny rehetra, dia ho an’ny TOMPO izy. Dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy mianakavy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra