Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Mandritra ny fotoana rehetra maha Nazirita azy dia tsy hihinan-javatra natao amin’ny voaloboka izy, eny, fa na dia ny voany mbamin’ny hodiny aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Amin’ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay rehetra natao tamin’ny voaloboka izy, manomboka amin’ny voany ka hatramin’ny hodiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Mandritra ny fotoana rehetra maha Nazirita azy dia tsy hihinan-javatra natao amin’ny voaloboka izy, eny, fa na dia ny voany mbamin’ny hodiny aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Mandritra ny fotoana rehetra maha nazareàna azy, dia tsy hihinan-javatra avy amin’ny voaloboka izy, hatramin’ny voany ka hatramin’ny hodiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Amin ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin’ny voaloboka hatramin’ny voany ka hatramin’ny hodiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Amin'ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Amin’ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay rehetra natao tamin’ny voaloboka izy, manomboka amin’ny voany ka hatramin’ny hodiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:4
7 Rohy Ifampitohizana  

«Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay nivoady; izany no fanomezana atolony ho an’ny TOMPO noho ny naha nazirita azy, ankoatra izay mety ho takatry ny fananany. Hanaraka ny voady notononiny izy amin’izany, ka hanao araka ny lalàna momba ny fanokanan-tena nirosoany.»


dia hifady divay sy zava-pisotro misy alikaola izy; tsy hisotro vinaingitra natao tamin’ny divay na tamin’ny zava-pisotro misy alikaola izy; ary tsy hisotro rehefa mety ho ranom-boaloboka izy, na hihinana akory voaloboka lena na voaloboka maina.


Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.


tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra