Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiny ho nazareàna, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan’i Iaveh, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volon-dohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:5
9 Rohy Ifampitohizana  

«Tsy hanaratra ny lohany tanteraka ny mpisorona, nefa tsy hanao lava volo fa hanety azy tsara.


Mandritra ny fotoana rehetra maha Nazirita azy dia tsy hihinan-javatra natao amin’ny voaloboka izy, eny, fa na dia ny voany mbamin’ny hodiny aza.


Mbola tafajanona elaela tao Kôrinto i Paoly. Avy eo dia nanao veloma ny havana iray finoana izy ka niondrana nankany Siria, niarahan-dry i Prisila sy i Akoilà. Talohan’ny hiondrana, dia niharatra volon-doha tao Senkrea i Paoly, satria nisy voady nataony.


noho ianao efa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary io zanakao io dia tsy azo hetezana volon-doha, satria ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo izy. Izy no hanomboka hanafaka ny Israelita amin’ny fangejàn’ny Filistinina.


ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.


Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.


sy voady izao: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin’ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra