Mpitsara 12:1 - DIEM PROTESTANTA Nifamory ny vatan-dehilahin’i Efraîma, dia niampita an’i Jôrdàna ary tonga tao Tsafôna, ka niteny tamin’i Jiftà hoe: –Nahoana no nandeha niady tamin’ny Hamônita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivory ny lehilahin’i Efraima dia nandeha nianavaratra ka niteny tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny Amonita ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy ianao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nifamory ny vatan-dehilahin’i Efraîma, dia niampita an’i Jôrdàna ary tonga tao Tsafôna, ka niteny tamin’i Jiftà hoe: –Nahoana no nandeha niady tamin’ny Hamônita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio. Baiboly Katolika Nivory ny lehilahy amin’i Efraima, ka nandeha nankany Sefôra, nanao tamin’i Jefte hoe: «Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna ianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin’ny tenanao». Baiboly Protestanta Malagasy ARY nivory ny lehilahy amin’ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amona hianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy hianao. Malagasy Bible Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. La Bible en Malgache Ary nivory ny lehilahin’i Efraima dia nandeha nianavaratra ka niteny tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny Amonita ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy ianao! |
Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.
Rehefa niteny i Efraîma, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an’i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.
fa hoy i Jesoa taminy: –Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin’ny Ray; ka inona amin’ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy?
satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’ny asa ratsy isan-karazany.
Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin’i Jiftà, ilay Gilehadita.
Fa namaly azy i Jiftà ka nanao hoe: –Nisy disadisa be tamiko sy ny vahoakako ary ny Hamônita. Dia niantso vonjy taminareo aho, nefa tsy nafahanareo teo an-tanan’ireny.
Tamin’ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin’ny vadin’i Samsôna: –Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin’ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay?
Koa nifanontany ny Filistinina ny amin’izay nanao an’izao; ary nisy nilaza hoe: –I Samsôna, vinantolahin’ilay Timnita, satria ity rafozany no nisintona indray ny vadiny ka nanome azy ho an’ny namany. Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy.
Ary hoy ny vatan-dehilahy efraîmita tamin’i Gidehôna: –Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin’ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.