Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 13:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Rehefa niteny i Efraîma, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an’i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Raha niteny i Efraima dia nampihorohoro ka nisandratra tao amin’ny Israely izy. Nefa nanota ny amin’ny Baala izy ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Rehefa niteny i Efraîma, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an’i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Raha vao niteny i Efraima, dia nihorohoro ny olona; nisandratra izy teo amin’i Israely. Fa tonga meloka izy noho ny amin’i Baala, ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 RAHA niteny Efraima, dia nampangorohoro, Ka nisandratra tao amin’ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin’i Bala izy ka maty;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin'ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin'i Bala izy ka maty;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Raha niteny i Efraima dia nampihorohoro ka nisandratra tao amin’ny Israely izy. Nefa nanota ny amin’ny Baala* izy ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 13:1
26 Rohy Ifampitohizana  

afa-tsy ny avy amin’ny hazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy, satria amin’ny andro izay hihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.»


Ary nampamboarin’i Jerôbohama ho tanànamimanda i Sekema any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraîma ka nonenany. Rehefa niala tao Sekema izy, dia nampamboatra an’i Penoela ho tanànamimanda koa.


Nihaino ahy tamim-panantenana ny olona, ka samy nangina teo am-pandraisana ny hevitro.


Rehefa niteny aho dia tsy nisy namaly intsony, ary nanenika azy tsikelikely ny teniko.


Ny fireharehan’ny olona no mialoha ny faharavàny; fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.


Fa izao rehetra izao dia nataon’ny tanako, ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa ny olona tsinjoviko dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.


I Damasy manko no renivohitr’i Siria, ary ao ihany i Retsîna no filoha; i Samaria no renivohitr’i Efraîma, ary ao ihany i Peka no filoha. I Efraîma, ao anatin’ny 65 taona, dia tsy ho vanon-ko firenena intsony.› Kanefa raha tsy ny TOMPO no itokianareo, dia tsy ho azo itokiana haharitra koa ianareo.»


Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.


Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an’i Bahala.


Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.


Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.


Ny fanevan’i Efraîma mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak’i Efraîma dia notarihin’i Elisamà, zanakalahin’i Hamihoda;


Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.


I Hôsea zanakalahin’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraîma;


Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.


Noho ny nataon’ny olona anankiray, dia i Adama, no nidiran’ny fahotana teo amin’izao tontolo izao, sady nidiran’ny fahafatesana koa noho ny fahotana; ary dia nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy nanota izy rehetra.


Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Josoa hoe: –Anio no hanamafisako ny fahefànao eo imason’ny Israelita rehetra mba hahafantarany fa tahaka izay nombàko an’i Mosesy no hombako anao koa.


Nifamory ny vatan-dehilahin’i Efraîma, dia niampita an’i Jôrdàna ary tonga tao Tsafôna, ka niteny tamin’i Jiftà hoe: –Nahoana no nandeha niady tamin’ny Hamônita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.


Ary hoy ny vatan-dehilahy efraîmita tamin’i Gidehôna: –Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin’ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.


Dia hoy i Samoela hoe: –Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan’ny fokon’i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra