Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:23 - DIEM PROTESTANTA

Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely àry no efa namela anay vahoakany haka ny tanin’ny Amôrita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa ankehitriny, NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Israely olony, ary ianao kosa va dia ta haka ny tany?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely àry no efa namela anay vahoakany haka ny tanin’ny Amôrita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa ankehitriny, rehefa noroahin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny Amôreana, teo anoloan’i Israely vahoakany, ianao indray ve no handroaka an’i Israely hiala ao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Isiraely olony: ary hianao kosa va ta-haka ny tany?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa ankehitriny, NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Israely olony, ary ianao kosa va dia ta haka ny tany?

Jereo ny toko



Mpitsara 11:23
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary izaho manome anao zaratany iray fatratra kokoa noho ny an’ireo rahalahinao, dia ny faritr’i Sekema izay azoko tamin’ny sabatro sy ny tsipîkako teo an-tanan’ny Amôrita.


kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.


Ny mpanjaka rehetra, tamin’ny Amôrita nonina teny andafy andrefan’i Jôrdàna sy tamin’ny Kanahanita nonina tany amoron’ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon’ny TOMPO maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloan’ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon’ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.


manomboka hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka, ary hatreo amin’ny taniefitra atsinanana ka hatrany amin’ny ony Jôrdàna.


Moa tsy tananao ho fanananao ve ny faritany izay nomen’i Kemôsy andriamanitrao anao? Noho izany, dia zonay koa ny hitana ho fanananay izay tany rehetra nomen’ny TOMPO Andriamanitray anay.