Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Moa tsy tananao ho fanananao ve ny faritany izay nomen’i Kemôsy andriamanitrao anao? Noho izany, dia zonay koa ny hitana ho fanananay izay tany rehetra nomen’ny TOMPO Andriamanitray anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Tsy hotananao va izay tany omen’i Kemosy andriamanitrao anao? Ary izay tany rehetra omen’NY TOMPO Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Moa tsy tananao ho fanananao ve ny faritany izay nomen’i Kemôsy andriamanitrao anao? Noho izany, dia zonay koa ny hitana ho fanananay izay tany rehetra nomen’ny TOMPO Andriamanitray anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Moa tsy mipetraka ho tompon’izay nomen’i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va ianao? Ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon’izay rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitray anay ho fanananay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Moa tsy hotananao izay tany omen’i Kemosy andriamanitrao anao va? Ary izay tany rehetra omen’i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Tsy hotananao va izay tany omen’i Kemosy andriamanitrao anao? Ary izay tany rehetra omen’NY TOMPO Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:24
16 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany i Salômôna dia nanangana toeram-panasinana teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema mba ho an’i Kemôsy andriamani-tsampin’ny Môabita ary koa mba ho an’i Milkôma andriamani-tsampin’ny Hamônita.


Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin’ny andro fahavelony.


noroahiny ny firenen-kafa teo anoloany, nozarainy antsapaka ho azy ny taniny; ka ny tranon’ireo firenen-kafa ireo ihany no nampitoerany ny fokon’i Israely.


Ho diso fanantenana i Môaba amin’i Kemôsy andriamaniny tahaka ny nahadiso fanantenana an’i Israely avaratra tamin’ny andriamanitr’i Betela izay nianteherany.


Loza ity mahazo anao, ry Môaba! Very ianareo, ry vahoakan’i Kemôsy, satria samy nentina ho babo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy.


Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao no nianteheranao, ry Môaba. Kanjo hay voa koa ianao ity! Indray lasan-ko babo i Kemôsy andriamanitrao sy ny mpisorony ary koa ireo mpitondra anao.


Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.


Loza no nihatra taminao, ry Môaba! Ringana ianao, ry firenena izay mpivavaka tamin’i Kemôsy! Na ny lehilahy izay nikasa handositra na ny vehivavy dia samy nafoin’i Kemôsy ho babon’i Sihôna, mpanjakan’ny Amorita.


fa izay rehetra mpanao ireny zavatra ireny dia mahatsiravina eo imason’ny TOMPO; ary izany no handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo an’ireny firenena ireny eo anoloanareo.


Nomen’ny TOMPO ho an’ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany.


Ho fantatrareo amin’izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita.


Ary mbola nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta andriamani-tsiizy, mbamin’ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.


Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely àry no efa namela anay vahoakany haka ny tanin’ny Amôrita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?


Dia niainga avy any Gilgala ka tonga tany Bokima ny anjelin’ny TOMPO ary nanambara tamin’ny Israelita hoe: –Izaho no nampakatra anareo hiala tany Ejipta ka nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako homena ny razanareo. Ary nilaza Aho fa tsy hanapaka na oviana na oviana ny fanekempihavanako aminareo.


Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota: –Indro ny rahavavinao nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra