Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 20:11 - DIEM PROTESTANTA

11 kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 nefa indreo, mamaly ratsy anay izy ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin’ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 20:11
12 Rohy Ifampitohizana  

Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


Ary rehefa nivoaka ny tanàna izy, ka tsy mbola lasa lavitra akory, dia hoy i Jôsefa tamin’ilay mpikarakara ny ao an-tranony: –Ndeha, enjeho ireny lehilahy ireny, ary tratraro ka anontanio hoe: «Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa?


Ry Andriamanitray ô, tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain’ny masonay.


Valiana ratsy ny soa nataoko, hany ka mila hamoy fo aho.


TOMPO Andriamanitro ô, raha nahavita izany anaratsiany ahy izany aho, raha nanao heloka ny tanako,


Izay olona mamaly ratsy ny soa dia tsy hialan’ny ratsy ao an-tranony.


Moa tokony hovaliana ratsy ve ny soa? Nefa izy manomana fandrika hamely ahy Ianao kosa, ry Tompo, aoka hahatsiaro fa nitsangana nitaraina teo anatrehanao aho mba hialan’ny fahatezeranao taminy.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


avy eo Izy dia nandroaka teo anoloanareo firenena maro izay lehibe sy matanjaka noho ianareo, mba hampidirany anareo amin’ny taniny sy hanomezany izany ho fanananareo, tahaka ny amin’izao anio izao.


Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra