Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.
Mpitsara 11:12 - DIEM PROTESTANTA Nandefasan’i Jiftà iraka ny mpanjakan’ny Hamônita mba hilaza aminy hoe: –Inona no antony hiadiantsika no tonga atỳ amiko hanafika ny taniko ianao? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny Amonita i Jefta hilaza hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao no tonga atỳ amiko hiady amin’ny taniko ianao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandefasan’i Jiftà iraka ny mpanjakan’ny Hamônita mba hilaza aminy hoe: –Inona no antony hiadiantsika no tonga atỳ amiko hanafika ny taniko ianao? Baiboly Katolika Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna i Jefte, hilaza aminy hoe: «Mifampaninona moa izaho sy ianao, no tonga hamely ahy ianao ka hanafika ny taniko?» Baiboly Protestanta Malagasy Dia naniraka olona Jefta nankamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy hianao, no tonga atỳ amiko hiady amin’ny taniko hianao? Malagasy Bible Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao? La Bible en Malgache Dia nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny Amonita i Jefta hilaza hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao no tonga atỳ amiko hiady amin’ny taniko ianao? |
Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.
Dia indreo izy roa lahy niantsoantso hoe: –Fa ataonao inona izahay, ry Zanak’Andriamanitra? Tonga eto ve Ianao mba hampijaly anay alohan’ny fotoanandro?
Avy teo an-taniefitra Kedemôta no nandefasako iraka hankany amin’i Sihôna, mpanjaka tao Hesbôna, ombàn’ny teny fihavanana hoe:
Dia nandeha niaraka tamin’ireo loholon’i Gilehada i Jiftà ka noraisin’ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepà, teo anatrehan’ny TOMPO, dia nohamafisin’i Jiftà ny teny rehetra efa nifanarahany tamin’ireo loholona.
Dia hoy ny mpanjakan’ny Hamônita tamin’ireo irak’i Jiftà: –Fony niakatra avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny taniko hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka sy hatrany Jôrdàna. Koa ankehitriny avereno amiko am-pilaminana ireo faritany ireo.
Fa namaly azy i Jiftà ka nanao hoe: –Nisy disadisa be tamiko sy ny vahoakako ary ny Hamônita. Dia niantso vonjy taminareo aho, nefa tsy nafahanareo teo an-tanan’ireny.