Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia hoy ny mpanjakan’ny Hamônita tamin’ireo irak’i Jiftà: –Fony niakatra avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny taniko hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka sy hatrany Jôrdàna. Koa ankehitriny avereno amiko am-pilaminana ireo faritany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Hoy ny mpanjakan’ny Amonita tamin’ireo irak’i Jefta: Satria nalain’Israely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony izy niakatra avy tany Ejipta. Koa avereno amin’ny fihavanana ary izany ankehitriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia hoy ny mpanjakan’ny Hamônita tamin’ireo irak’i Jiftà: –Fony niakatra avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny taniko hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka sy hatrany Jôrdàna. Koa ankehitriny avereno amiko am-pilaminana ireo faritany ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary hoy ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, namaly ny irak’i Jefte: «Satria, raha niakatra avy any Ejipta i Israely, dia nalainy ny taniko, hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka sy Jordany. Koa avereno amim-pihavanana izany ankehitriny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia hoy ny mpanjakan’ny taranak’i Amona tamin’ny irak’i Jefta: Satria nalain’ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin’ny fihavanana ary izany ankehitriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Hoy ny mpanjakan’ny Amonita tamin’ireo irak’i Jefta: Satria nalain’Israely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony izy niakatra avy tany Ejipta. Koa avereno amin’ny fihavanana ary izany ankehitriny.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.


Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga.


Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga, ary ho very ny mpamafy lainga.


Kanefa ny tanin’ny Hamônita kosa tsy nakekezintsika, dia ny faritra rehetra manamorona ny lohasahan-driaka Jabôka sy ireo tanàna ao amin’ny havoana, toy ny toerana rehetra nosakanan’ny TOMPO Andriamanitsika tsy hakekezintsika.


Ny Reobenita sy ny Gadita dia nomeko ny ampahan’i Gilehada miafara amin’ny lohasahan-driaka Arnôna (ka tao afovoan’io lohasahan-driaka io no sisintany), sy miafara amin’ny lohasahan-driaka Jabôka izay sisin-tany mampisaraka amin’ny Hamônita;


Nandefasan’i Jiftà iraka ny mpanjakan’ny Hamônita mba hilaza aminy hoe: –Inona no antony hiadiantsika no tonga atỳ amiko hanafika ny taniko ianao?


Dia nandefa iraka fanindroany ho any amin’ny mpanjakan’ny Hamônita indray i Jiftà


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra