Nantsoina koa hoe Mitsepà, na toerana fanaraha-maso, satria i Labàna efa nilaza hoe: –Aoka ny TOMPO hanara-maso ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika!
Mpitsara 10:17 - DIEM PROTESTANTA Ary nifanangona ny Hamônita ka nitoby tao amin’ny faritanin’i Gilehada; dia nifamory koa ny Israelita ka nitoby tao Mitsepà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nivory ny Amonita ka nitoby tany Gileada. Nivory kosa ny Zanak’Israely ka nitoby tany Mizpa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nifanangona ny Hamônita ka nitoby tao amin’ny faritanin’i Gilehada; dia nifamory koa ny Israelita ka nitoby tao Mitsepà. Baiboly Katolika Nivory ny taranak’i Amôna sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak’i Israely kosa niangona nitoby tany Masfà. Baiboly Protestanta Malagasy DIA nivory ny taranak’i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak’Isiraely ka nitoby tany Mizpa. Malagasy Bible Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa. La Bible en Malgache Nivory ny Amonita ka nitoby tany Gileada. Nivory kosa ny Zanak’Israely ka nitoby tany Mizpa. |
Nantsoina koa hoe Mitsepà, na toerana fanaraha-maso, satria i Labàna efa nilaza hoe: –Aoka ny TOMPO hanara-maso ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika!
dia mitatra hatreo Hesbôna ka hatrany Ramata-Mitsipè sy Betônima, ary hatreo Mahanaîma ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Lô-Dabara.
Ary nifanontany ny foko tao Gilehada sy ny mpitarika azy ka nanao hoe: –Iza no lehilahy sahy hanapoaka ady amin’ny Hamônita? Izany lehilahy izany no ho filohan’ny mponina rehetra eto Gilehada.
Dia nandeha niaraka tamin’ireo loholon’i Gilehada i Jiftà ka noraisin’ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepà, teo anatrehan’ny TOMPO, dia nohamafisin’i Jiftà ny teny rehetra efa nifanarahany tamin’ireo loholona.
Ary nirotsaka tao amin’i Jiftà ny Fanahin’ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin’i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin’ny faritanin’ny Hamônita.
Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.
ka nanao taminy hoe: –Avia ho mpitarika ny tafikay ianao, mba hahafahanay miady amin’ny Hamônita.
Avy eo dia hoy i Samoela hoe: –Aoka ho vory any Mitsepà ny vahoaka Israely tsivakivolo, fa izaho hivavaka amin’ny TOMPO ho azy.