Mpitsara 10:1 - DIEM PROTESTANTA Taorian’ny nahafatesan’i Abimelèka dia nitsangana i Tôlà, zanakalahin’i Povà sady zafikelin’i Dôdao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin’ny fokon’i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’ny nahafatesan’i Abimelèka dia nitsangana i Tôlà, zanakalahin’i Povà sady zafikelin’i Dôdao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin’ny fokon’i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Baiboly Katolika I Tolà zanak’i Foà, zanak’i Dôdao, lehilahy amin’i Isakara, no nitsangana hamonjy an’i Israely, taorian’i Abimeleka. Tany Samira amin’ny tendrombohitr’i Efraima izy no nonina. Baiboly Protestanta Malagasy ARY taorian’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin’ny tany havoan’i Efraima izy. Malagasy Bible Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy. La Bible en Malgache Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima. |
Nitondra ny Israelita nandritra ny 23 taona i Tôlà; avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Samira.
Dia nanangana mpitsara ho azy ny TOMPO, ka ireny no nanafaka azy tamin’ny fahefàn’ny dahalo.
Vao tonga tany Sehirà izy; dia nitsoka trompetra teny amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma hamory ny Israelita; avy teo izy dia nitarika ireo Israelita ireo ka niara-nidina taminy avy teny an-tendrombohitra
Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba.
Novalian’Andriamanitra toy izany koa ny mponin’i Sekema ka natsingeriny teo an-dohany ny ratsy rehetra nataony, ary tanteraka taminy ireo ozona nambaran’i Jôtama, zanakalahin’i Jerobahala.