27 Raha vao tonga tany izy dia nitsoka anjomara tany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ny tany be havoana ny Zanak’Israely ka izy no nitarika azy.
27 Raha vao tonga tany izy dia nitsoka anjomara tany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ny tany be havoana ny Zanak’Israely ka izy no nitarika azy.
Nikabarian-dravehivavy tamim-pahendrena avokoa ny mpiray tanàna, dia notapahina ny lohan’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ ka natsipy teny amin’i Jôaba. Notsofin’i Jôaba ny anjomara, dia tsy nanao fahirano ny tanàna intsony ny miaramilany ary samy namonjy ny fonenany avy. I Jôaba kosa mbola niverina tany Jerosalema ho eo amin’ny mpanjaka.
Dia samy nanala faingana ny akanjobeny avy ny manamboninahitra rehetra ka namelatra azy teo amin’ny faratampon’ny tohatra anankiray mba hipetrahan’i Jehò. Ary notsofin’ny mpiangaly azy ny anjomara fa ny besinimaro teo kosa niantsoantso hoe: «I Jehò no mpanjaka.»
Dia novalian’i Josoa hoe: –Raha tàhiny vahoaka marobe ianareo ka tery ho anareo ny havoanan’i Efraîma, dia mandehana any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaîta ka tevezo ny ala any hipetrahanareo.
Ho anareo koa ny havoana rakotra ala, dia hotevenareo ny ala ka halainareo ny vava ala; fa ho voaroakanareo ny Kanahanita na dia matanjaka sy manana kalesy vy aza ry zareo.
Taorian’ny nahafatesan’i Abimelèka dia nitsangana i Tôlà, zanakalahin’i Povà sady zafikelin’i Dôdao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin’ny fokon’i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma.
Ary nandefa iraka nankany amin’ny faritra manontolo be tendrombohitra any Efraîma i Gidehôna hilaza hoe: –Midîna ianareo hisakana ny Midianita ka mialohà azy hibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà. Dia nivory ny vatan-dehilahy efraîmita ka nidina nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà.
Novonoin’i Jônatàna ho faty ny governora filistinina izay tao Gebà, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain’i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: «Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!»