Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Fa raha mbola variana tao ireo, dia efa nitsoaka i Ehoda, ka efa tafahoatra ny tsangambaton-tsampy ary nandositra tany Sehirà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary raha mbola nitaredretra izy ireo dia lasa nandositra i Ehoda ka efa nihoatra an’ireo sampy vato, dia nandositra ho any Seìrata.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Fa raha mbola variana tao ireo, dia efa nitsoaka i Ehoda, ka efa tafahoatra ny tsangambaton-tsampy ary nandositra tany Sehirà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Dieny mbola niatoato teo izy ireo dia efa lasa nitsoaka i Aoda, sy tafahoatra ny sampy vato ary nandositra tany Seirata.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary raha mbola nitaredretra izy ireo dia lasa nandositra i Ehoda ka efa nihoatra an’ireo sampy vato, dia nandositra ho any Seìrata.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:26
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia niditra tao an-trano toy ny mpaka vary i Rekaba sy i Bahanà rahalahiny; koa rehefa hitany i Isbôsèta fa nandry teo am-parafara tao an’efitra fatoriany, dia notrobarany ny kibony. Rehefa matin’izy roalahy izy, dia notapahiny ny lohany ary nentiny nandositra; ka nandritra ny alina no nandehanany namaky ny lemak’i Arabà.


Fa i Jezebela kosa tsy hisy handevina, satria hohanin’ny alika ao amin’ny sahan’i Jizrehela ny fatiny.» Rehefa avy nilaza izany ilay tovolahy mpaminany, dia namoha ny varavarana ka lasa nandositra.


Niandry teo ivelany izy ireo ambara-pahavelon’ahiahy azy, kinanjo tsy mbola nisy namoha ihany ny varavarana. Dia naka ny fanalahidy ireo ka namoha ny trano, ary indro ny tompony maty mitsitra eo amin’ny tany.


Vao tonga tany Sehirà izy; dia nitsoka trompetra teny amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma hamory ny Israelita; avy teo izy dia nitarika ireo Israelita ireo ka niara-nidina taminy avy teny an-tendrombohitra


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra