Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra; hikitro-nify izy sady ho rera-po. Ho foana ireo fanirian’ny olon-dratsy.
Matio 8:12 - DIEM PROTESTANTA Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify. Baiboly Katolika fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.» Baiboly Protestanta Malagasy fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Malagasy Bible fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. La Bible en Malgache fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. |
Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra; hikitro-nify izy sady ho rera-po. Ho foana ireo fanirian’ny olon-dratsy.
Indro ny mpanompoko hihorakora-pifaliana noho ny hasambarana ao am-pony, fa ianareo kosa hiantsoantso noho ny alahelom-po sy hikiakiaka noho ny fanahy torotoro.
ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny olona miaina araka ny Fanjakàn’ny lanitra; ny tsimparifary dia ny olona andevozin’ilay Ratsy;
Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [
Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.
Ary io mpanompo tsy misy ilana azy io, roahy any amin’ny haizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»
Any tokoa ianareo no hitomany sy hikitro-nify, rehefa hitanareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra; fa ianareo kosa voaroaka any ivelany.
Ho anareo ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo fony Izy niteny tamin’i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.»
Izy ireo no Israelita: natsangan’Andriamanitra ho zanany ary nomena ny voninahiny, manana ireo fanekempihavanana sy ny lalàna mbamin’ny fombam-pivavahana sy ireo fampanantenana;
Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin’ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo.
Ireo anjely, fony nanota, dia tsy namindran’Andriamanitra fo, fa noroahiny ho any amin’ny toeran’ny maty ka natolony ho ao an-davaka maizina mangitsokitsoka izay itanana azy ho amin’ny fitsarana.
toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.
Fa any ivelany kosa izay manana toe-panahy maharikoriko: dia ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Tsinjoviny ny fiainan’ireo mpivavaka aminy, fa ny olon-dratsy kosa hovereziny any amin’ny haizina; satria tsy amin’ny herin’ny tenany no hahazoan’ny olona fandresena.