Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 3:4 - DIEM PROTESTANTA

Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny fitafian’i Jaona dia lamba volon-drameva ary fehikibo hoditra no teny aminy; valala sy tantely remby kosa no sakafony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fitafian’izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny fitafian’i Jaona dia lamba volon-drameva ary fehikibo hoditra no teny aminy; valala sy tantely remby kosa no sakafony.

Jereo ny toko



Matio 3:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia novaliany hoe: –Manao akanjo volom-biby sy fehikibo hoditra izy. Dia hoy ny mpanjaka: –I Elià avy any Tisbe izay!


Telo taona talohan’izany kosa dia nampitondra teny an’i Isaià zanakalahin’i Amôtsa ny TOMPO hoe: «Mandehana, vahao ny lamba gony eny an-tsikinanao ary esory ny kapa eny an-tongotrao.» Dia nataon’i Isaià izany, ka nandeha tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro izy.


ka ireto avy izany: ny valala fihinana, ny solama, ny hargôla ary ny hagaba samy isan-karazany avy.


Amin’izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin’ny fitafiana akanjo volom-biby,


Fa tonga i Jôhany Mpanao batisa, tsy mihinana sady tsy misotro, nefa lazaina hoe: «Ondranondranana!»


Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana dia any amin’ny lapan’ny mpanjaka!


Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no fihinany.


Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.


Nakariny teo an-tendron-kavoan’ilay tany izy, nampihinaniny ny vokatry ny saha, nampitsentsefiny tantely teny an-tsefatsefa-bato, sy nomeny menaka avy amin’ny faritra vatoana;


Ary homeko hery ny vavolombelona roa mpanambara Ahy, ka hitondra ny hafatro mandritra ny 1 260 andro sady hitafy gony.