Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
Matio 3:16 - DIEM PROTESTANTA Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha vao vita batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano avy hatrany; ary indro, nisokatra Taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. Baiboly Katolika Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay. ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Malagasy Bible Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. La Bible en Malgache Ary raha vao vita batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano avy hatrany; ary indro, nisokatra Taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. |
Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.
Dia hoy koa ny TOMPO hoe: «Izaho kosa hanao izao fanekempihavanana izao aminy: ny Fanahiko hitoetra eo aminareo ary ny teniko dia efa teo am-bavanareo, ka samy tsy hiala aminareo hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny Fanahiko sy ny teniko dia tsy hiala aminareo na amin’ny zanakareo na amin’ny taranaky ny taranakareo. Izaho TOMPO no mampanantena izany.»
Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
Tamin’ny fahatelopolon-taonako, fony andro fahadimin’ny volana fahefatra, izaho Ezekiela zanakalahin’i Bozỳ mpisorona dia tao anivon’ireo Jiosy babo teo amoron’ny ony Kebara; nisokatra ny lanitra ary nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho. Taona fahadimy taorian’ny naha lasan-ko babo an’i Jôiakina mpanjaka tamin’izay. Koa teo amoron’io ony Kebara tany amin’ny tanin’ny Babilônianina io, no nisy tenin’ny TOMPO tamiko, sady nihazona ahy tamin’ny heriny IZY.
Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala.
Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!
Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.
hatramin’ny andro nanaovan’i Jôhany batisa an’i Jesoa ka hatramin’ny andro nanalana Azy taminay sy nampiakarana Azy any an-danitra. Koa amin’ireo no tokony hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo.
ary niteny hoe: –Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.
I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana.