1Jaona 5:6 - DIEM PROTESTANTA6 I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara satria ny Fanahy no fahamarinana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika6 Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Jereo ny tokoMalagasy Bible6 Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache6 Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara satria ny Fanahy no fahamarinana. Jereo ny toko |
Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.
vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.
ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,
Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.