Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 5:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Fa ankehitriny, telo no vavolombelona manambara:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa misy telo izay manambara,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Fa ankehitriny, telo no vavolombelona manambara:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa misy telo izay manambara,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa misy telo izay manambara,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa misy telo izay manambara,

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 5:7
31 Rohy Ifampitohizana  

Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra; niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


Fa raha tsy mihaino anao izy, dia makà olona iray na roa hiaraka aminao mba «hitombenan’ny raharaha rehetra noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo», araka ny voalazan’ny Soratra Masina.


koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,


Tamin’ny voalohany, fony nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin’Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra.


Izaho sy ny Ray dia iray ihany.


Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao! Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray.


Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.


Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin’ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin’ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.


Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina.


Izaho dia vavolombelona manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy koa.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Raha manome voninahitra ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, Izay lazainareo fa Andriamanitrareo, no manome voninahitra Ahy!


Nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra Izy ka nandray avy tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina ary narotsany taminay izany araka izao hitanareo sy renareo izao.


Vavolombelona manambara izany ny tenanay mbamin’ny Fanahy Masina nomen’Andriamanitra ny olona manaiky Azy.


Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana avy amin’ny Fanahy Masina!


«Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana.


Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.


I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana.


dia ny Fanahy Masina sy ny rano ary ny ra; sady mifanaraka tsara izy telo.


Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: «ilay Tenin’Andriamanitra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra