Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 11:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, Dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ny fahalalanasy ny fahatahorana an’i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 11:2
27 Rohy Ifampitohizana  

Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy no efa niteny ka nanao tamiko hoe: «Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra


Aoka hoentiny ara-drariny sy hitsiny ireo malahelonao, dia ny vahoakanao.


Ny torohevitra rehetra dia ambarao amin’ireo mpahay taozavatra izay nofenoiko hakingana, ka ireo no hanao ny fanamiana izay hoentin’i Aharôna amin’ny fanokanana azy ho mpisorona ho Ahy.


Izy no hanome fahaiza-mitsara an’izay mipetraka hitsara ary koa hanome herimpo an’ireo mpanosika ny fahavalo manafika eo anoloan’ny vavahady.


Indray andro any, dia hatosaka ny Fanahy avy amin’ny Tompo ao ambony; ka hanjary saha mahavokatra ny taniefitra ary ny saha mahavokatra hanana ny lanjan’ny ala.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao: Efa hatrany am-boalohany no nitenenako an-karihary; ary teo Aho hatramin’ny vaninandro izay nisehoan’izany zavatra izany.» (Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)


Dia hoy koa ny TOMPO hoe: «Izaho kosa hanao izao fanekempihavanana izao aminy: ny Fanahiko hitoetra eo aminareo ary ny teniko dia efa teo am-bavanareo, ka samy tsy hiala aminareo hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny Fanahiko sy ny teniko dia tsy hiala aminareo na amin’ny zanakareo na amin’ny taranaky ny taranakareo. Izaho TOMPO no mampanantena izany.»


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.


Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.


Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin’ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin’ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.


Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra: satria tsy hiteny avy amin’ny tenany Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.


Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.


nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy.


Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.


I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.


Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen’Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.


Avy amiko Jôhany ireto taratasy ireto, ary mamangy ny Fiangonana fito ao amin’ny faritany Azia aho. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary avy; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina, ombàm-panomezana fito, Izay eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra